- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Voasambotra ny atidoha nikotrika ny fanafihana tany Antaniditra

Moramanga : Voasambotra ny atidoha nikotrika ny fanafihana tany Antaniditra

Natolotra ny  fitsarana ny 17 septambra ilay olona voalaza fa ny atidoha nikotroka ny asan-dahalo tao Antaniditra, ny alin’ny 07 septambra lasa teo, izay nahamaizana tokantrano efatra sy naharatrana olona efatra, ka ny iray tamin’io dia zaza telo taona, tena naratra mafy noho ny fidiran’ny bala teo amin’ny lohaliny sy ny nampiala ny ratsan-tanany sy ny ratsan-tongony. Ny tifitra nataon’ireo tsy mataho-tody azy no nahatonga izany . Raha iny nahita ny dadany maty novonoin’ireo olon-dratsy iny izy dia ny hanavo-tena no tao an-tsainy. Tsiahivina fa olona roa no maty  tamin’io fanafihana io rehefa azon’ireo mpanafika avokoa izay notadiaviny, novonoina  tamin’ny fomba feno habibiana avokoa. Teo an-tratran’ny rainy ny iray ary teo imason’ny vady aman-janany ny iray. Fito lahy nisaron-tava ireo dahalo ary nirongo fiadiana mahery vaika sy basy fampiasan’ny mpitandro filaminana. Nifampitifitra tamin’ireo zandary izy ireo nadritra ny alina manontolo nanaovany ny asa ratsiny. Tratra amin’izao fotoana izao ny atidoha nikotrika sy nanome ny lisitr’ireo tsy maintsy hanaovana ny fanafihana. Teo am-pamerenana tany amin’ny tompony ny karazana entana, toy ny vatoaratra, vatomamy, lakile tsy nilain’ireo olon-dratsy tany anaty tranombarotra norobaina no nahatraran’ny zandary azy. Efa nahatsikaritra ny fihetsik’ity olona noahiana ity ny fokonolona ny takarivan’ny 7 septambra tokony ho tamin’ny efatra ora hariva, nialoha ny fanafihana voalohany.Tsy namela irery ireo vahoaka sy ny tanàna manontolo hiraviravy tanana ny kapiteny Rakotoarisoa Eugène, komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary eto Moramanga, fa nidina niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy nanao ny savahao sy ny fiambenana ny tanàna manontolo ary nanome toromarika sy fampianarana ny tokony hatao. Resy lahatra ireo mponina nadritra ny fampianarana fa ny fiaraha-miasa amin’ireo zandray eny an-toerana hatrany no vahaolana amin’ny asa ratsin’ny olona sasany.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici