- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Vono olona, telo lahy naiditra am-ponja

Moramanga : Vono olona, telo lahy naiditra am-ponja

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary teo anivon’ny borigady  dia fantatra fa tao anatin’ny hamamoana ilay olona no tafiditra tao anatin’ny fefin’olona tsy nahy ka nahatonga ny tompon-trano hiantso vonjy, ka nahatonga ny fikasihan-tanana namparatra mafy ilay raim-pianakaviana, ny alin’ny 18 aogositra lasa teo. Niara-niaiky ny nataony avokoa ireo lehilahy telo, fa ity raim-pianakaviana maty ity tokoa ilay noratrainy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ireo zandary satria mbola mipetraka ho baraingo ny nahatonga azy tao anaty tanimbary, satria samy nandà ny tsy nahafantatra ny nahatonga azy ho tao izy rehetra ireo. Tsy hijanona hatreo ny fitadiavana izay antony nahatonga ny fahafatesan’io olona io.
CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici