Olona efatra no niditra am-ponja vonjy maika ny andron’ ny 04 jiona 2019 raha toa ka zandary ny iray. Misy no mbola karohina. Ireo no tohin’ ny raharaha halatra mandina tao amin’ ny alan’ ny fanalamanga ny 13 aprily 2019. Raha tsiahivina dia mandina 400 gony no tratra tamin’ ity raharaha ity. Nitsoaka ireo mpamily ary nanova ny laharan’ilay fiara rehefa nahazo lalam- pirenena faharoa satria hitodi- doha hoany antananarivo. Nanolotra vola iray tapitrisa ariary ny komandin’ ny vondrontobim- paritra ireo olona tratra izay nihevitra fa hahatsotra ny fifampiresahana. Hentitra ity manamboninahitra no komandin’ ny vondontobim- paritra nilaza fa ny fitondram- panjakana foibe dia miezaka amin’ ny ady amin’ ny KOLIKOLY,ary ny antom- pisiany dia ny hanome ohatra velona hoan’ ny manodidina azy fa iaraha-mientana ny ady amin’ ny KOLIKOLY izay hita fa fototry ny tsy
fandrosoana. Tsy nijanona teo ny fanadihadiana natao dia izao nahatrarana zandary izao. Mitohy hatrany ny ady amin’ ny kolikoly hoy hatrany i kapiteny Millison Gabriel izay tsy natao hijerena na
hisafidianana olona.
Cathy