- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga: Zaza roa no naiditra hopitaly, nianjeran’ny trano

Moramanga: Zaza roa no naiditra hopitaly, nianjeran’ny trano

Tapaka ny taolan-dranjony, naratra mafy ny iray vokatry ny fianjeran’ny trano iray tao amin’ny fokontany Antanamandroso andrefana,ny 9 martsa 2018. Efa ela no nampilaza ny tompon’andraikitry ny mponina manodidina, nandritra ny fandalovan’ny andro ratsy nifanesy, saingy tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra ; etsy ankilany tsy monina eto an-toerana ny tompon’ny trano. Trano vita tamin’ny rotso-peta efa an-taonany maro no anaty tanàna no itoerany.Raha ny nambaran’ireo olona mpahay tantara, dia anisan’ny trano ela indrindra teto Moramanga ity trano ity. Nisy olona nipetraka tao anatin’ity trano ity ary potika tao avokoa ny entana rehetra. Zaza sendra nijanona nanamboatra ny fiara keliny nolalaoviny no izao niharan-doza izao. Ny mponina manodidina no nandray fepetra ny nandrodana tanteraka ny ambiny izay mbola nijoro teo. Miantso ireo tompon’andraikitra eto an-toerana hijery akaiky ireo trano na fotodrafitrasa efa miha simba ka mety hahitan-doza ny mponina.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici