- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Zazakely maty latsaka tao anaty lavadrano

Moramanga : Zazakely maty latsaka tao anaty lavadrano

Zazakely herintaona sy sivy volana no maty latsaka tao anaty lava-drano.Tamin’ny fotoana nangalan’ny rainy rano tao anaty vovo no nahitana izany tany amin’ny faritry Moramanga. Rehefa nalefa mantsy ny fanovozana dia ny fatin’ilay zaza no nanaraka. Omaly 12 aogositra tamin’ny 9 ora maraina no niseho ity zavatra ity. Misy fefy ity lavadrano ity, ilay zaza vao mianatra mandeha ka samy nihevitra ny tao an-trano fa tsy aiza izy fa milalao any amin’ny efitra hafa. Samy gaga ihany ny rehetra tsy nahare ny feony efa ho antsasakadiny. Somebiseby nitady azy taorian’izany ary ilay rainy nandeha nanovo ranao. Tamin’io fotoana io no hita ny razana.  Fandrika ho an’ny ankizy mialao ireny rano mihandrona sy lavadrano ireny, ka tokony ho mailo hatrany ny mpitaiza. Tokony hisy hidiny koa ny fantsakana,fa tsy avela amin’izao fotsiny.

 CATHY 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser