- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Zazakely niyaran’ny fanolanana raha avy nianatra

Moramanga : Zazakely niyaran’ny fanolanana raha avy nianatra

Zazavavy fito taona nira avy nianatra, ny harivan’ny 26 febroary 2018 tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany, no norebireben’ny raimpianakaviana 26 taona tamin’ny vatomamy sy bisky ka nanaraka azy. Rehefa tonga tao anaty kininina dia nambanany antsy ilay zaza rehefa hanomboka hitomany ary nitohy tamin’ny fampiharany ny herisetra rehetra. Tsy nahatadidy ny lalana mody intsony ity zaza ity noho ireo karazana herisetra nanjo azy, ny andro rahateo efa alina tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Olona nifanena tamin’ity zaza ity no nahita azy tsy afaka nandeha ka nitondra azy nody sy nampilaza ny zandary. Olona tsy mpifanerasera amin’ny fianakaviana ity rangahy ity ary nandritra ny fanadihadiana natao azy dia nilaza fa efa faniriana hatry ny ela ny azy. Hatolotra ny fampanaovana ny 01 marsa 2018 ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici