- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Zazavavy 11 taona niharan’ny herisetra nandritra ny 4 taona

Moramanga : Zazavavy 11 taona niharan’ny herisetra nandritra ny 4 taona

Raim-pianakaviana 27 taona efa niteraka roa manan-tokantrano ara-dalàna no nampiasa herisetra tamin’ity zazavavy 12 taona ity ny alin’ny alatsinainy 1 aogositra 2016, tao amin’ny fokontany Antanamandroso Atsinanana. Tsy nody tany an-tranony ity zazavavy ity rehefa nahavery ny vola 5000ar vidin’ny godrogodro ny marainan’io alatsinaniny io ihany. Notambatambazan’ilay ramatoa mpifankahalala tamin’ny reniny izy fa misy olona afaka manolo io vola io « fa tsy maintsy matory any amin’ilay rangahy aloha sady tsy ao an-trano ny ramatoa vadiny » hoy hatrany ity ramatoa mpanera. Ny ampitso, teny am-pitadiavana azy ny maraina ny reniny no nifanena taminy avy naka ilay vola tany am-piasanan’ilay rangahy no nahatsikaritra zavatra hafa teny amin’ity zanany  ka nahatonga azy hampandre ny polisim-pirenena avy hatrany. Tsy niandry ela kosa ity farany fa tonga dia nanao ny fisamborana an’ilay rangahy nahavanon-doza ary nandray an-tanana an’ilay zaza nitondra azy tany amin’ny dokotera, izay nahitan’ny mpitsabo fa efa im-betasaka no nisy nanao firaisana ara-nofo ilay zaza. Nandritra ny fanadihadiana an’ilay zaza no nahafantarana fa ny rahalahin-drainy niteraka azy ihany koa no anisan’ny nandray anjara tamin’ny fampiasana herisetra tamin’ilay zana-drahalahiny. Niaiky ny fanaovany izany ity farany ary nanambara tamin’ny polisy nanao fanadihadiana azy fa efa tamin’ny faha sivy taonany nandritra ny fetim-pianakaviana no efa nanaovany an’izany tamin’ity zaza ity voalohany. Natolotra ny fitsarana ny 4 aogositrat 2016 ireo olona telo niara-nanodinkodina an’ilay zazavavy kely. Mitohy ny fanentanana ataon’ny polisim-pirenena ho an’ireo olona rehetra mahita na iharan’ny herisetra fa vonona hiaro ny ankizy ny polisim-pirenena eto Moramanga, hoy ny nambaran’ ny « Inspecteur de police » Rakotomamonjy Jules.                                            CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici