Zazavavy kely 12 taona no nodorana tamin’ny sotrobe mahamay avy napetraka fotoana maharitra tao anaty afo ny tarehiny sy ny mahavehivavy azy,ary ny amin’ny ratsambatany, rehefa niaro ny tenany teo am-pandoroan’ilay nenintoany azy. Nobedesina izy tamin’izay fa tsy niantso azy hoe « mama », ka izany no nahatonga ny fanaovana izao herisetra izao amin’ilay zaza. Mbola mianatra ity zaza ity, kilasy T6 amin’ny sekolim-panjakana eto Moramanga, ary zanaky ny anadahiny iray tampo aminy,fa nalainy hotezaina noho izy tsy niteraka,vao tapa-bolana monja lasa izay. Efa izao sahady anefa no nanjo ity zanak’anadahy. Efa nisaraka ireo ray sy renin’ity zaza ity, raha mbola vao nianatra nandeha izy tamin’izany, ka ny reniny no hany namelona samirery azy.
Efa fandaminan’ilay zaza sy sy ny reniny ao an-trano ny fanaovan-dreniny sasalamban’olona isan’andro ary mandeha ny maraina ka ny hariva vao mody. Beaziny anaty fikambanana masina any am-piangonana rahateo ity zaza ity, fa na dia tsy ao an-trano aza ilay nitondra azy folo volana dia mahandro izay misy ao izy ary mianatra lesona mandra-pianatra ny hariva, ka io indrindra no nahatonga ilay anabavin-dray ho naka azy. Tsy niandry ny fankatoavan-dreniny akory fa tonga dia sady nandrahona an’ilay zaza no nangorona ny ankanjokeliny rehetra fa nolazaina ho maditra fa mipetra-drery lava. Nandefitra ihany ilay reny niteraka tany am-boalohany satria noheveriny fa ho tena solon-dreny tokoa na dia tsy nisy fifampiresahana aza, kanjo izao no zava-niseho, ka natonga ny fitarainana teny anivon’ny sampandraharan’ny ministeran’ny mponina eto Moramanga. Nandray ny andraikiny avy hatrany nitondra ny raharaha ho eny am-pelantanan’ny mpitsara manokana ho an’ny ankizy ireto farany. Ilay ray niteraka eo anatrehan’izany dia tsy manana holazaina ankoatra ny fitazanam-potsiny ny zava-nitranga.
CATHY