- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMorarano chrome : Fatim-behivavy nifatotra tao anaty gony

Morarano chrome : Fatim-behivavy nifatotra tao anaty gony

Ny faha-22 may no nahitan’ny olona fatim-behivavy iray mifatotra ary natao tao anaty gony. Araka ny filazan’ny fianakaviana dia efa telo andro no tsy hita ity olona ity, dia izao hita faty izao.  Efa nampilaza tany amin’ny tompon’andrikitra ny havany mikasika ny tsy fahitana azy. Rehefa nojerena ny razana dia nahitana diana tady tamin’ny tendany, feno mangana ny vatany iray manontolo. Voalaza koa fa mbola nifatotra izy tao anatin’ilay gony ary nofatorana ihany koa ilay kitapo nasiana azy. Araka izany, novonoina izy ary rehefa maty dia natsipy teny an-tanimbary ny razana. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny antony namonoana azy. Rehefa nojerena koa ny razana dia tsy nisy fanolanana nihatra tamin’ity olona 29 taona ity. Nonina teny amin’io tanàna io ihany, izay tsy lavitra an’Amparafaravola, ity olona ity fahavelony, hoy hatrany ny vaovao voaray avy any an-toerana. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary amin’izao fotoana izao hahalalana ny tena marina mikasina izao vonoan’olona izao.

Tao anatin’ny volana vitsivitsy izay, mahazo vahana ny herisetra arahana famonoana olona amin’iny ampita andrefan’Alaotra iny. Nisy ny fakana an-keriny, ny fandrobana arahana fandratrana niafara tamina famonoana mihitsy. Efa manao izay ho afany ny mpitandro filaminana miasa any amin’ny famongorana izany. Misokatra ny fanadihadiana.

Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser