Vao nanomboka ny herinandro dia raikitra indray ny raharaha fakàna an-keriny. Tao amin’ny tanànan’i Morarano-Chrome no nisy andian-jiolahy mitam-basy ny alin’ny alatsinainy teo, manodidina ny tamin’ny 8ora sy sasany. Nopoirin’izy ireo ny varavarana ary tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy izay nanam-potoana nanara-po. Tsy vitan’ny nobatain’ireo izay entana nety taminy fa mbola nentin’ireo niaraka taminy koa ny renim-pianakaviana tao an-trano, ramatoa 55 taona. Naharitra teo amin’ny 30 minitra teo izany fanafihana niampy fakàna an-keriny izany. Izany hoe afaka nanao izay tiany ny jiolahy tamin’ity tranga ity. Efa lasa izy ireo izay vao tena afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ny fianakaviana. Talohan’izay dia niezaka nitabataba niantso vonjeo ihany izy ireo saingy tsy nisy vokany izany. Iny alina iny ihany dia efa nandeha ny fanaraha-dia izay niarahan’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana natao. Mirongatra tanteraka saingy mifindrafindra faritra fotsiny ny asaratsy fakàna an-keriny. Rehefa nanao bemidina ny mpitandro ny filaminana tany Anjozorobe, toerana izay tena lasa foiben’ny kidnapping, nikisana kely tao Tsaratanàna indray ireo mpanao ratsy. Izao indray dia miverina any Alaotra indray izy ireo mampiseho ny heriny.
D.R
Helas, si Spider Madagascar a installé des cameras Dahua dans ce village.
Le capital a son téléphérique, autoroute, …. Monsieur le ministre de l’intérieur tous nos villages ont droit aussi à la securité, svp pensez à installer des caméras,….