Omaly alatsinainy, nampiseho ny tsy fifaliany ny olona manoloana ny tranga fangalàna an-keriny tao Morarano-Chrome. Niaraka tamin’ny sora-baventy izay miantso ny fitondram-panjakana handray fepetra haingana manoloana ny firongatr’ity karazana heloka bevava ity. Hatreto mantsy dia tsy nisy vokatra mihitsy avy amin’ireo mpitandro ny filaminana kanefa ny olona manahy ny ainy ary miaina ao anaty horohoro. Raha ny momba ity tranga nampihetsi-po ny vahoaka ao an-toerana ity dia mahakasika ny kidnapping izay nanjo ny rangahy iray sy renim-pianakaviana iray hafa koa. Tsy mpivady akory izy ireo fa olona roa samihafa tanteraka. Efa niantso ireo olon-dratsy ka vola mitentina 200 tapitrisa ariary no takian’izy ireo. Ny zoma lasa teo no nitranga ilay fakàna an-keriny. Tokantrano roa izay mifanila no lasibatra sy nangalan’ireo olon-dratsy ireo olon-tsotra. Nitondra sora-baventy ary nilanja saina fotsy ny olona tao Morarano-Chrome omaly. Isan’ny hita tamin’ireo soratra ny hoe : « stop kidnapping » na koa hoe aoka izay ny fakàna an-keriny. Ny amin’ny saina fotsy indray dia entin’izy ireo hanamarihana fa resy tanteraka izy ireo manoloana ny tsy fandriam-pahalemana. Manan-janaka roa vavy izay mbola kely ilay renim-pianakaviana nisy naka an-keriny. Ankoatra ireo olona roa voalaza etsy ambony dia fantatra koa avy amin’ny vaovao avy any an-toerana fa misy zazalahy iray koa mbola eo am-pelan-tànan’ireo jiolahy. Hafakely ny fivoaran’ny heloka bevava ankehitriny satria tonga tanteraka any ambanivohitra ny fakàna an-keriny, karazan’asan-jiolahy izay tsy nisy afa-tsy eny amin’ny tanan-dehibe teo aloha. Tsy vitan’izany fa tena mitaky volabe izay sarotra amin’ny olona ny hahita izany. Mazava raha nanangana saina fotsy ny olona omaly satria efa mihoatry ny loha ity ataon’ny jiolahy mpaka an-keriny ity.
D.R