- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversMorarano Gara : Vehivavy maty nilatsaham-potaka

Morarano Gara : Vehivavy maty nilatsaham-potaka

Nalevina ny talata 03 novambra ilay vehivavy 30 taona nilatsaham-potaka ny 02 novambra tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany tolak’andro tao amin’ny tananan’ny Ambohimanja fokontanin’ny Ambohidray ao anatin’ny kaominina Morarano gara. Nandeha hitoto vary harotsaka ny hariva no nialan’ity renim-pianakaviana ity tao an-trano nefa mbola tsy niverina ny takariva na dia efa nijanona aza ilay orana nijohy tao anatin’ny ora iray mahery.Nanao ny fikarohana azy ny vady aman-janany no nahitàna ny razana efa may tanteraka ny vatany indrindra ny tao amin’ny lamosiny fa ny vary izay avy nototoiny kosa tsy nisy nanimbinana fa nipitika niala sahabo ho telo metatra teo anilany. Mateti-pitaranga ny loza toy izao, fa ny fomba fijery mandrakariva dia ny resaka fifanolanana amin’ny ady samy hafa na olana ara-piarahamonina no miteraka ny zava-mitranga toy izao any ambanivohitra ; izay tsy mbola fahita teo amin’ireto fianakaviana ireto izay mety ho anton’ny filatsaham-potaka izany, hoy ny fiarahamonina tany an-toerana.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici