Jiolahy roa nitondra antsy lava sy famaky no nanafika tokantrano iray, teny amin’ny fokontany Morarano, kaominina Maevatanàna voalohany, ny Alahady 22 Aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tonga dia nodakan’izy ireo ny varavarana nidirany tao an-trano. Taitra avy hatrany ilay raim-pianakaviana raha nandre ny fidiran’ireto olon-dratsy tao an-tranony, ka avy dia nikasa hanohitra. Raha vao hitan’ireto jiolahy anefa ny fihetsiny, dia ny azy ireo no nataony tonga aloha ka notetehiny tamin’ny famaky ilay rangahy antsoina hoe Maidisoa ary naratra vokatr’izany. Tsy nisy afa-nihetsika intsony ny vady aman-janany tao an-trano raha vao nahita izany. Ny tena nahagaga dia tsy nahasahy nikitika ireo entana sy ny omby tao am-bala ny jiolahy. Tsy naharitra ela ireo malaso fa fotoana fohy monja ihany no nijanonany tao amin’ilay trano nanaovany ny asa-ratsiny. Rehefa vitan’izy ireo ny nataony, dia lasa nitsoaka nandositra haingana izy roa lahy. Taorian’izany vao niezaka nitady ny fomba rehetra nahafahana nampandre ny mpitandro ny filaminana ny tompon-trano sy ny olona teo amin’ny fokontany. Efa tsy nisy tratra intsony ireo dahalo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Zandary sy polisy teny an-toerana. Novonjena nentina notsaboina tany amin’ny hopitalibe Morafenokely Maevatanàna ilay rangahy naratra mafy. Mitohy ny fikarohana.
Ratantely