Taorian’ny tranga nisehoana hain-trano mahatsiravina teny Ankadindramamy vao tsy ela akory izay, dia trano lehibe iray misy rihana roa no nirehitra teny Morarano Manakambahiny. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tany ho any no nitrangan’izany. Tsy voafaritra mazava hatreto ny tena niantombohan’ny afo. Ny lelafo efa nananika ny rihana voalohany farany ambony no nanaitra ireo manodidina hampandre ny tompon-trano, izay marihina fa tsy nanampo na inona na inona ihany koa. Vetivety ny afo dia niitatra nanakatra ny rihana farany ambony. Ny toerana nisy ilay trano may rahateo avo dia avo ka nanampy tosika ny fidedahan’ny afo ny fitsokan’ny rivotra. Tonga teny an-toerana ihany ny sampana mpamono afo saingy efa tsy nisy azo noraisina intsony ny entana rehetra tavela tao. Tonga nandrindra ny filaminana teny ihany koa ny zandary noho ny hamaroan’ny olona nanotrona izany loza izany. Marihina fa tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy tamin’ity hain-trano ity.
Niony H.