- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMorarano : Mpangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka

Morarano : Mpangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka

Ny olona nanao fety tao ambony rihana. Ny jiolahy niditra tsimoramora avy ato ambany ary nanao fandrobàna. Izay no nitranga teny Morarano ny alin’ny asabotsy teo. Enin-dahy izy ireo no tompon’antoka tamin’ny vaky trano ary nisaoty tamboho no nahafahany niditra tao amin’ilay toerana. Mbola teo am-panatontosàna ny asaratsiny ireo no nisy nahatsikaritra tampoka. Raikitra ny fisamborana ary nitsoaka ireo dimy lahy, tsy tafatsambikina ilay tamboho ity farany. Nandeha ny daroka rehetra satria tezitra ny olona. Ny fokonolona rahateo vetivety dia tafavory ary samy nanala ny fony teo avokoa. Nisy ny niantso ny polisin’ny boriborintany faharoa izay tonga teny an-toerana tao anatin’ny fotoana fohy. Koa satria tsy eken’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka dia lasa niompana tamin’ny fandaminana ny olona ary nanala haingana ilay mpangalatra no nataon’ny mpitandro ny filaminana. Avy hatrany izy dia nentina tany amin’ny Hjra kanefa noho ny daroka isan-karazany izay niteraka fahavoazana betsaka ho azy dia tsy tàna ny ainy ny marainan’ny alahady teo. Ny borigadin’ny polisy izay misahana ny heloka bevava no nandray an-tànana ny raharaha ankehitriny noho ny fisian’ny vonoan’olona. Sarotra hatrany ny fanadihadiana momba ny raharaha toy izao, satria ny olona matoa tonga amin’ny fitsaram-bahoaka dia efa tena tezitra tanteraka amin’ny jiolahy. Koa satria anefa misy vonoan’olona dia tsy maintsy manokatra fanadihadiana ny sampana misahana heloka bevava. Matetika anefa izany dia atao fotsiny mba ho fantatry ny olona fa tsy mety ny fitsaram-bahoaka fa kosa tsy alefa hatramin’ny farany ny fanenjehana. Amin’ity raharaha ity dia mbola karohina ireo dimy lahy izay niray tsikombakomba tamin’ny mpanao ratsy.

Etsy andanin’izany dia mety amin’ny tanàna maro olona toa an’i Morarano ny famerenana ny andrimasom-pokonolona mba hahafahana mifehy ny tsy fandriam-pahalemana. Toraka izany koa ireo tanàna manodidina izay manomboka iverenan’ny sinto-mahery raha vao maizina ny andro.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici