Ny kômiseran’ny pôlisy miandraikitra ny boriborin-tany faharoa no nidina an-tsehatra niaraka tamin’ny olony izay tsy latsaky ny roapolo lahy. Teny Morarano-Ambohitsoa no nandalovan’izy ireo tampoka an-tongotra amin’ny andro alina. Niditra hatrany elakelan-trano rehetra tany ireo pôlisy marobe ary nitsidika ireo faritra tena nosokajiana ho mena tao an-toerana. Ny maha-mena azy dia noho ny fisian’ny vonoan’olona nisesy teo an-toerana sy ny kartie manodidina azy. Nifanandrify tamin’izay anefa ny nahitàn’ny pôlisy fa misy jiolahy mipetraka ao Morarano. Isan’izay I Bôlô sy Lala mainty izay maty voatifitra ny voalohany ary voasambotra dia nalefa any Tsiafahy ny faharoa. Noheverina teo fa nijanona tamin’ny nahazoana ireo olona ireo ny asaratsy. Saingy mbola nitohy ihany ary mbola nanao ny nataony ireo mpanolana sy mamono olona nony avy eo. Heverina fa mifanandrify amin’izany toe-javatra nisesy teo alohaloha kely teo izany ny bemidina nataon’ny pôlisin’ny boriborin-tany faharoa. Hetsika izay nandresy lahatra ny mponina teo an-toerana satria sambany vao mba nisy hoe tsy nisy jiolahy hosamborina akory dia efa mba hita eny an-toerana ny pôlisy, sady mbola niditra tany anelakelan-trano ihany koa.
D.R