Fanintelony izay no nisy vono olona mahatsiravina teo Morarano-Ambohitsoa. Izany rehetra izany dia tao anatin’ny iray volana sy tapany ary saika nitovy avokoa ny fisehony : naolana ilay olona dia novonoina ho faty. Ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina, no nisy renim-pianakaviana izay avy niasa hamonjy ny fodiana, niharan’ny herisetra. Tao anatin’ny orana no nitranga ilay heloka bevava ary nitovy tamin’izany rahateo avokoa ireo roa hafa izay voalaza etsy ambony. Niboridana tanteraka ny tapany ambany ary mbola nisy rà aza. Ankoatr’izay dia mbola nivoaka rà ny sofiny sy ny vavany tamin’ny fotoana nahitan’ny olona azy teo an-toerana. Raha araka ny fantatra, dia fanaon’ny vadiny ny mitsena an-dramatoa rehefa avy miasa alina io farany. Akory anefa ny hagagan’ity farany raha nahita azy nitsirara teo amin’ny tany ary efa miala aina. Nezahina nentina teny amin’ny hopitaly ihany mba hanavotana ny ainy, saingy mafy loatra ny herisetra nianjady taminy ka izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Manan-janaka roa izay mbola kely izy mivady. Nalahelo ny mpiara-monina no sady nihorohoro, indrindra fa ny vehivavy, raha nandre sy nahita ny zava-nitranga. Misesy loatra mantsy ny vono olona eo an-tanàna indrindra raha vao latsaka ny orana. Tsikaritra anefa hatramin’ny nisian’ny vono olona faharoa izay nahafaty ramatoa 70 taona, fa nisy ny fivezivezen’ny pôlisin’ny FIP teny an-toerana ary hentitra mihitsy aza izy ireo tamin’ny fisavana sy fisamborana izay nahiahiana. Nisy ny voarohirohy ho jiolahy izay maty voatifitra, toa an’i Bôlô, nisy ihany koa ny fisamborana ireo namany, toa an’i Lala mainty. Nohazain’ny pôlisy hatrany amin’ny tanàna izay nahiahiana mihitsy ireo voalaza ho jiolahy, saingy izao mbola sahy manao heloka bevava izao ihany izy ireo. Misy ny milaza fa manao valifaty ny naman’ireo jiolahy maty. Raha ny zava-nisy tokoa mantsy, dia efa nisy voatery niala teo an-toerana mihitsy rehefa nahazo fandrahonana fa hahazo valifaty amin’ireo olon-dratsy. Ny vahaolana angamba dia ny fanasiana paositry ny mpitandro ny filaminana eo an-toerana…
D.R