Omaly no andro nosafidian’ireo mponina tao amin’ny fokontany Morarano P/elle 21/12 nanokafana ny lalana miditra amin’izy ireo, fa tery loatra noho nataon’ny mponina ihany. Nidina teny an-toerana mihitsy ny fiara mpamonjy voina, satria raha ny lalàna dia tokony hifanaraka amin’ny haben’ny fiaran’ny mpamonjy voina ny làlana hosokafana. Tonga teny an-toerana ihany koa ny talen’ny “urbanisme” eo anivon’ny kaominina, niaraka tamin’ireo ekipany nanatanteraka izany fanokafan-dalana izany. Na voalaza fa ireo vahoaka tamin’ny fivoriam-pokonolona ihany no nangataka ny fanokafan-dalana tao amin’izy ireo, raha tonga anefa ny kaominina hanatontosa izany dia saika ireo vahoaka nanaiky ihany no mitsipaka izay fanokafan-dalana izany. Efa fangatahan’izy ireo anefa izao, dia nataon’ny kaominina ihany ny asany izay tsy nisy nanavahana na iza na iza fa nakisaka avokoa ireo izay tsy nanara-dalana tamin’izao fanokafan-dalana izao. Nambaran’ny filoham-pokontany, fa efa indroa izao no nisehoana hain-trano tao amin’ity fokontany ity, ka izay no nampirisika ny ankamaroan’ny fokonolona nanaiky izao fanokafan-dalana izao. Nolazain’ny filoham-pokontany ihanykoa, fa vao tsy ela izay fa tamin’ny sabotsy teo no nitrangana hain-trano ny fokontany nifanila tamin’izy ireo, dia ny fokontany P/elle 21/14; tsy nisy noraisina ilay trano misy rihana iray sy ny fanaka tao anatiny, fa may kila avokoa. Ny antony dia ny tsy fahafahana fiaraben’ny mpamonjy voina sy hain-trano miditra noho fahateren’ny lalana tamin’ny nihazoany an’ity trano may ity tamin’izay. Ho fisorohana ny tsy hitrangan’izany intsony no anton’izao fanokafan-dalana nataon’ny kaominina noho ny fangatahan’ny vahoaka tao Morarano P/elle 21/12 izao.
Malala Didier