Vokatry ny andro ratsy sy rivotra nifofofofo be dia nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dranomasina tany amin’ny distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny alatsinainy teo. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia botry iray avy any Toliara hihazo an’i Morombe, nitondra mpandeha miisa sivy niaraka tamin’ny mpanamory, niampy entana maro toy ny fanitso miisa 56, simenitra efatra gony,no rendrika. Noho ny toetr’andro ratsy dia tsy maintsy nihantsona tao Andravony ity botry ity.
Fefika, tapaka tady. Nihanahery hatrany anefa ny rivotra tamin’io andro io, ka tapaka ny tady nitazona ilay botry teo amin’ny seranana. Vokany, nentin’ny rivotra teny afovoan-dranomasina ity fitaovam-pitaterana ity ary tapaka vaky nizara roa teny. Noho ny fitahian’Andriamanitra sy firaisan-kinan’ny fokonolona namonjy dia avotra soa aman-tsara avokoa ireo mpandeha, fa ny entana no tsy nisy hita popoka natelin’ny ranomasina. Mila mitandrina ihany ny mpanjono sy ireo mpitatitra an-dranomasina amin’izao fotoam-pahavaratra mampanonja ny rano izao.
Manitrisa