- Publicité -
dimanche, novembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorombe : Dahalo raindahiny latsaka tanatin’ny vela-pandrikin’ny Fokonolona

Morombe : Dahalo raindahiny latsaka tanatin’ny vela-pandrikin’ny Fokonolona

Dahalo iray tamin’ireo andian-dahalo avy nandroba vilany, akoho, vary , ary menaka tamina tranona rafotsibe iray, tao an-tanànan’ Ankilimaliniky Fokontany Ambalorao any amin’ny Kaominina ambanivohitry Befandefa, Distrikan’ny Morombe no niharan’ny fitsaram-bahoaka afak’omaly alina. Naratra mafy voavono moa ilay vaviantitra tratran’ireo dahalo tao an-tranony nandritra ny fanafihana. Noho ny firaisankinan’ireo mponina teo an-tanana, dia tsy nahazo na dia tamingan’ omby iray ireo malaso nitam-piadiana. Ny alin’io ihany, dia nanao ny fanarahan-dia ny vahoaka, ka tao anatin’ny fanarahan-dia, dia tratran’ny velam-pandrika ity lehiben-dahalo, ary maty voatifitra teo amin’ny kibony, raha afa-nitsoaka niaraka amin’ny entana avy nangalariny kosa ireo namany. Nentin’ny Fokonolona naseho vahoaka teo an-tokontanin’ny biraon’ny kaominina ny fatin’ity malaso ikoizana. Hatramin’izao, raha ny tati-baovao voaray farany avy any an-toerana, dia tsy sahy nalain’ny havany ny razana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici