Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo, no maty tsy tra-drano nandidy ny tendany tamin’ny antsy maranitra, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora, tany Antanimeva Distrikan’i Morombe. Hatreto sahiran-tsaina ny fianakaviany, fa tsy fantatra mazava ny antony nanosika an’ity lehilahy ity nanapitra ny ainy rehefa nihidy irery tao an’efitrano fandriany. Rehefa nisaraka tamin’ny vadiny ity lehilahy namoy ny ainy, izay voalaza fa tratran’ny aretin-tsaina hafahafa toa ambalavelona, satria misy fotoana midelira tampoka izy, ary milaza fa misy olona maro be manenjika azy, dia niverina nipetraka tany amin’ny ray aman-dreniny ny faramparan’ny volana jona teo. Gaga ny anabaviny omaly, fa hatry ny naraina ity anadahiny no tsy hitany, ka rehefa nojereny tao amin’ny efitra fatoriany, dia ankona ity anabaviny avy teo nikiakiaka mafy nahita ny vatana mangatsiakan’ny anadahiny nihosin-drà tsy nisy aina intsony nivalampatra teo ambony fandriana, ary mbola hita teo ny antsy maranitra nandidiany ny tendany, hoy ny tati-baovao voaray.
Eric Manitrisa