Nitrangana halatra omby narahina vono olona indray tany amin’ny distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any, tao amin’ny fokontany Manampoha 5 km miala ny renivohitry ny kaominina Ambahikily mihazo an’i Morombe manamorona ny lalam-pirenena fahasivy. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia dahalo ampolony nirongo basy no nanafika tao amin’io tanàna io. Omby 15 no very. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona, ka nigalabona ireo mpangalatra omby. Efa dify ireo malaso vao niantso mpitandro filaminana ny mponina. Ora iray latsaka kely taorian’io, miaramila mitondra ny galona lietna no nanoina ny antsovonjy, ka tonga tao Manampoha.
Fifampitifirana. Taorian’ny fanarahan-dia dia raikitra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahavoa azy ilay lietna. Lasan’ ireo olon-dratsy ihany koa ny basy « kalach » nentin’ity manamboninahitra ity. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia niatsinanana nihazo ny distrikan’i Manja ny dian’omby rehefa avy niampita ny reniranon’i Mangoky. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo tao anatin’ny roa volana toa tsy ahitam-panafana, dia manao antsovonjy amin’ny fitondram-panjakana mahefa ny mponina any an-toerana, izay miaina ao anaty tebiteby tanteraka amin’izao. Mangataka ihany koa izy ireo ny hisian’ny « opération » fampandrian-tany mba hiverenan’ny fitoniana sy fahalemana.
Manitrisa