Hita faty omaly rehefa nokarohina nandritra ny roa andro ilay mpampianatra iray 35 taona narendriky ny lakana tao amin’ny reniranon’i Mangoky, tany Bevoay Distrikan’i Morombe, ny alarobia antoandro teo. Araka ny tati-baovao voaray, dia avy nandray karama ka hamonjy fodiana ity mpanabe ity no tra-doza teny am-povoan-drano rehefa niampita lakana niaraka tamin’ olona telo mianadahy mpiray tanàna aminy. Noho ny rivotra nifofo tamin’io fotoana io, dia nanonja be ny rano, ka latsaka tany anatin’ity renirano masia-boay ity ny bisikileta nentin’ity mpampianatra. Niezaka namonjy ny fitaovam-pitaterany nentin’ny rano ity mpanabe ity, ka nilentika ary tany dia tsy nipoitra intsony. Taorian’izay dia niara-nifarimbona nifanome tanana nikaroka an’ity mpampianatra dobo an-drano ity ny Fokonolona, ka ny andron’ny omaly io vao hita ny razana. Lakalaka tokoa ny fiainana eto ambonin’ny tany, satria naka vola no nivoahana ny trano, fahafatesana no nitsena.
Eric Manitrisa