Na dia nokarohina fatratra nanomboka ny alatsinainy teo, kanefa hatramin’izao dia mbola tsy nahitam-bokany izany, ary mbola tsy hita popoka mandrak’ankehitriny (dimy andro aty aoriana) ireo mpanjono efadahy niara-najavona niaraka tamin’ny lakana lehibe iray nentin’izy ireo. Araka ny fantatra, dia ny marain’ny asabotsy teo izy efadahy mivelona amin’ny asa fanjonoana no niainga tao Morombe, ka mbola tsy tafody an-tanàna hatramin’izao. Noho izany, dia mitaintaina mafy tsy misy ohatr’izany ireo fianakaviany, satria tsy fantatra na maty na velona ireto havany izay tsy nandrenesam-baobao intsony, ary tsy fantatra mazava ihany koa izay nahazo azy ireo na rendrika an-dranomasina any amin’ny lakan-dranon’i Mozambika iny na zavatra hafa mihitsy. Manao antso avo amin’ireo mponina manamorona ranomasina ny havan’ireto mpanjono tsy hita popoka ireto mba hampita vaovao maika amin’ny tompon’andraikitra raha mahare vaovao mahakasika ireto mpanjono ireto, hoy ny tati-baovao.
Eric Manitrisa