- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Mpanjono Srilankey tsy ara-dalàna, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Morombe : Mpanjono Srilankey tsy ara-dalàna, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Leo ny gaboraraka misy ny vahoaka any amin’ny Distrikan’ Morombe, ka nitroatra. Manoloana ny firodorodon’ ireo Srilankey manao be fiavy manjono, miaraka amin’ny fitaovana maro sy fahazoan-dalàna hanjono ( ?) sy hanangona haren-dranomasina, dia tezitra ny Fikambanana mpanjono madinika ka mampiaka-peo ankehitriny, ary mihenjan-droa ny tady satria ankilany tsy mbola eken’ ny Fikambanana mpanjono « hiandriaka » ireo Srilankey, ireto farany kosa manizingizina fa tsy maintsy hanao andrana. « Misy Fokonolona mitantana ny fari-dranomasina aty Morombe, ary efa an-taonany maro no nanao ireo asa « conservation marine » izahay mba hitantanana maharitra ny hazandranomasina, ka gaga izahay amin’ny fidiran’ ireo vahiny tonga hanjono aty Morombe, miaraka amin’ny fitaovana tsy mbola fampiasan’ ireo mpanjono madinika aty an-toerana. Ny Fokonolona mikarakara mikajy, ny Srilankey manao be fiavy manjono, ka tsy ekenay hatramin’ny farany izany, na dia hiafara amin’ny rà mandriaka. Raha ny antontan-taraatasy hitanay, dia fahazoan-dalàna hanangom-bokatra (mividy) no hananan’ireo Srilankey, fa tsy fahazoan-dalàna hitrandraka (manjono mivantana). » Mba hambaboana ireo Fokonolona any an-toerana, dia mizara vary sy manampy olona ireo Srilankey hanaiky ny fitrandrahana hataon’izy ireo. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia nilaza ny handefa iraka ho aty Antananarivo ireo Fikambanan’ny mpanjono mandinika, hihaona amin’ny tompon’ andraikitra mahefa hamahana ny olana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici