- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Mpiandry omby iray lanin'ny voay teo am-pilomanosana

Morombe : Mpiandry omby iray lanin’ny voay teo am-pilomanosana

Masiaka ny voay amin’izao  fotoam-pahavaratra mafana izao ary misy ny miakatra an-tanàna. Tovolahy iray sahabo ho 20 taona , mpiandry omby no namoy ny ainy lanin’ny voay, tany amin’ny Distrikan’i Morombe, ny 30 martsa lasa teo. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia niara-nandro tamin’ny namany roalahy samy mpiarak’andro tao amin’ny reniranon’i Mangoky izy. Raikitra ny an-kisitrika sy lomano ka samy variana nilalao rano izy telolahy. Gaga anefa  ireto roalahy tsy nahita ny namany nipoitra intsony, ka nikoropaka namonjy moron-drano haingana ary nanara-morona nikaroka ny namany nanjavona.

Nanota fady. Hatairana ny azy ireo nahita rà niboiboika avy tao anaty rano tsy lavitra lava-potaka iray. Niantso fokonolona haingana tany an-tanàna, nefa tsy nisy famonjena azo natao intsony. Amin’ny tranga toy itony moa, amin’iny faritra iny dia misy ny fombafomba tsy maintsy atao mba tsy hiverenan’ny loza intsony, satria ny finoan’ny olona any an-toerana, dia nisy nanota fady matoa ny voay tompon’ny rano maka sy mihinana olona toy izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici