- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Mpiandry omby maty lanin’ny voay

Morombe : Mpiandry omby maty lanin’ny voay

Zazalahy niara-niandry omby tamin’ny zokiny no lanin’ny voay, ny zoma teo, tany amin’ny reniranon’i Mangoky, any amin’ny distrikan’i Morombe, ary mbola tsy hita ny razana. Raha ny vaovao voaray dia niara-nandro tamin’ny namany ity zazalahy ity. Nanao antsikafona sy ankisitrika izy telolahy. Tany dia tsy nipoitra intsony ity zazalahy, fa ny rà niboiboika nivoaka avy tao anaty rano no nanaitra an’ireto namany. Teo vao fantatra fa nanandrify lava-boay no nisitrihany ka narapak’ity biby mamba noana. Raha ny fantatra dia matetika mamono olona ity renirano masia-boay ity, indrindra amin’izao fotoana mafana fiantombohan’ny taom-pahavaratra izao. Lasibatra foana ny olona mandro na miampita amin’ity renirano lehibe ity, nefa ny mponina any matahotra mamono voay noho ny fomban-tany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici