- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Mpirahalahy niady lova, nifamono nifampikapa famaky

Morombe : Mpirahalahy niady lova, nifamono nifampikapa famaky

Mpirahalahy zana-drafy no nifamono nifampikapa famaky sy nifanindrona lefona. Trobaka kibo miady mafy amin’ny fahafatesana ny iray. Raha ny vaovao voaray any Morombe avaratr’i Toliara dia lonilony sy disadisa nikotrika am-bolana maro vokatry ny ady lova taorian’ny nahafatesan-drain’izy ireo no fototry ny olan’izy mirahalahy zana-drafy ireto. Efa voazaran-drainy fahavelony tamin’ireto zanany telo mirahalahy ny anjara lovan’ny tsirairay (tany, omby, sns). Tsy nanaiky izany anefa ny zoky olona zanaka tamin’ny vady hafa, fa misy ny zara vilana miangatra. Afak’omaly antoandro, raha niraoka voly tamin’ny tanimbolin’ny zokiny ny ombin’ilay zandriny, dia raikitra ny fifamaliana niafara tamin’ny fifamonoana nahatsiravina io.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici