Fifaliana lehibe ny any an-danitra raha misy mpanota iray mibebaka, hoy ny Fampianarana. Asa raha izany tokoa ity nitranga tao Morombe, omaly maraina ity, raha naverin’ireo mpangalatra tamin’ny toerana ny lakolosim-piangonana iray, izay efa tsy hita ho herintaona mahery teo izay. Omaly maraina, hagagana miharo hafaliana ny an’ireo mpiangona tao amin’ity fiangonana iray tany an-toerana raha nahita ny lakolosin’izy ireo very, ka hita indray, ary nipetraka tsara teo amin’ny toerany. Nampandrenesina avokoa ireo tompon’andraikitra tamin’ity fahagagàna vao maraina ity. Tsy vitan’ny hoe naverin’ireo mpangalatra mantsy ilay lakolosy fa mbola narahan’izy ireo hafatra tao anatiny. Hafatra izay milaza ny fanenan’ireo olon-dratsy nangalatra izany fitaovam-piangonana izany fa indrindra fangataham-pamelàna sy vavaka amin’ireo mpiangona ho azy ireo. « Indro ny fananan’ny Tompontsika fa averina (…) efa nibebaka teo anatrehan’i Tompontsika izahay nefa mangataka vavaka aminareo ihany koa. Ary manaiky fa tsy hamerina intsony » hoy ny vakin’ny sasantsasany amin’ilay hafatra navelan’ireo mpangalatra tao anatin’ilay lakolosy naverin’izy ireo. Dia asa tokoa raha tena niova fo ry zalahy ireto na hoe, efa tsy nisy nandray intsony ilay lakolosy ka hany hery dia naverina tamin’ny tompony. Nisy fotoana tokoa nampalaza ity fangalarana lakolosy ity teo amintsika. Tsy teto am-povoan-tany ihany fa na tany amin’ny faritra aza, ary ireo tanana somary lavitra andriana no tena nahita faisana. Efa nisy mihitsy ny « fampanenoana lakolosy » nataon’ireo mpitondra fivavahana, ho fanairana ireo mpitondra fanjakana tamin’io tranga io. Hatreto dia mbola tsy voavaly ilay fanontaniana hoe natao inona ireo lakolosy ireo, izay nalaza tamin’izany fa misy sahy mividy lafo dia lafo tokoa.
m.L