- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorombe : Niady izy mivady, novonoin-drangahy ny zanany roa taona

Morombe : Niady izy mivady, novonoin-drangahy ny zanany roa taona

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona no namono ka nahafaty ny zanany lahikely vao roa taona monja, ny alin’ny 2 novambra teo, tany Antanimeva Morombe. Raha araka ny vaovao voaray dia niady izy mivady ny andron’ny alarobia io. Tsy nahatanty ny vono sy daroka nihantra taminy ramatoa ka nitsoaka nivoaka ny trano. Ilay zaza anefa tamin’io natory teo am-pandriana ka tsy voarain’ ity renim-pianakaviana ity intsony. Tezitra ity lehilahy voalaza fa mpidoroka rongony nanapitra ny ain-janany ity, ka ny menaky ny ainy izay tsy nanan-tsiny natory teo am-pandriana no nokendainy, ary rehefa tsy nisy aina intsony ilay zaza dia nitsoaka nandositra ilay rangahy nahavanon-doza, ka mbola karohina hatramin’izao, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici