Mirongatra ny vono olona amin’ny alalan’ny fira sy kapa famaky any amin’ny distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana, ka mihorohoro ny mponina eo anatrehan’izany, ary manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Raha ny vaovao voaray, dia olona telo no maty voakapa famaky, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana avokoa, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambahikily. Raim-pianakaviana mpividy vary ny iray, izay hita faty nihosin-drà nisy namono teny an-dàlana, afak’omaly naraina tokony ho tamin’ny sivy ora, niala kely ny tanànan’ Andranonakanga, any amin’ny fokontany Namatoa. Raha ny nambaran’ny havan’ny maty, dia saika handeha hividy vary tao an-tanànan’i Miarisoa ity mpandraharaha ity no notaperin’ny dahalo mpanakan-dalàna ny ainy. Roa andro talohan’izao, tao Miarisoa hatrany, dia rangahy iray nifoha maraina handeha ho any an-tanimboliny no maty tsy tra-drano nisy namono tamin’ny fomba mamoehatra. Ny marain’ny zoma teo kosa, lehilahy iray avy nisotro toaka gasy voalaza fa mamo hamonjy fodiana no hita faty teny an-tanimbary, izay voakapa famaky teo amin’ny lohany.
Eric Manitrisa