Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana, afak’omaly, tokony ho tamin’ny sivy ora alina, tao amin’ny fokontany Antsatramalandy, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Befandriana Avaratra, ka omby miisa 150 no lasan’ny dahalo am-polony nitam-basy. Voalaza fa nitondra Kalach sy Mas 36 ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Ny nanaitra tamin’ity tranga ity, ireo malaso indray omaly no niantso an-telefaonina ny tompon’omby, nilaza fa mila mandoa vola 5 tapitrisa Ariary, dia haverina tsy misy tomika ireo omby. Mbola nandrahona sy nanafatrafatra ary nanitrikitrika mafy ireo dahalo, fa tsy mila mpitandro filaminana sy mpanara-dia, raha tsy izany dia vonoin’izy ireo rangahy tompon’omby sy ny fianakaviany. Raha ny filazan’ny mponina any an-toerana ny tranga toy izao moa, dia dinan’ny tompony, izany hoe : robain’ny dahalo ny omby dia ny tompony ihany no asain’ireo olon-dratsy mividy azy avy eo. Araka ny tati-baovao voaray, taloha tsy sahy niseho endrika ireo mpangalatra omby, fa ankehitriny kosa tsy miafina intsony izy ireo, ary mirehareha fatratra fa manana olona ambony lava tanana miaro azy. Noho ny tahotra ny valifaty, tsy misy sahy mitory izay lasibatra, fa manaiky sy manaraka ambokony ny baiko sy toromarika lazain’ireo dahalo.
Eric Manitrisa