Lehilahy iray, voalaza fa lehiben’ny dahalo any amin’iny distrikan’Ihorombe iny amin’izao no fantatra fa ataon’ny eo anivon’ny Tafika « haza lambo ». « Mpandraharaha kosa izy io », hoy ireo solon-tenan’ny mponina tonga nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Andraharo, ny alatsinainy lasa teo. « Mpandraharaha izay mamy hoditra amin’ireo mponina any an-toerana, saingy nalehan’ny miaramila an-terisetra tao aminy ka voatery nitsoaka sy niafina » araka ny filazan’Ing. Mahatratsy Jean, isan’ireo fianakaviany. « Tsy vitan’izay, hoy izy fa mbola nentin’ireo miaramila mpampandry tany an-keriny ny ombin’ity mpandraharaha ity. Omby izay mahatratra eo amin’ny 500 mahery eo ho eo, kanefa dia nogiazana sy nambara fa tsy ara-dalàna. Marihana anefa, fa omby madio sy azo hamarinina anaty boky avokoa ny volon’omby rehetra » hoy hatrany ity solontenan’ny fianakaviana ity.
Namaly izany filazana izany ary nitondra fanazavana mahakasika ity tranga ity ireo tompon’andraikitry ny Tafika any an-toerana, omaly nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ihany koa, tetsy Ampahibe. Nambaran’ny Kaomandin’ny ZRPS Alpha (Faritra ambanivohitra laharam-pahamehana amin’ny Fampandriana fahalemana ), izay miandraikitra manokana iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ny Jly Andriamasimanana William Michel, fa « misy taratasy ara-dalàna avokoa ireo iraka ataon’izy ireo amin’ny famakiana ny kizo. Nanaovana ezaka manokana ny ao amin’ny disitrikan’i Ihorombe, dia ny ao Sakoazato izay nahazoana omby anjatony maro fa tsy nahatrarana ny lehiben’ny dahalo izay mbola atao haza lambo ankehitriny ary angatahana fiaraha-miasa amin’ny rehetra » hoy hatrany ity manamboninahitra jeneraly ity. Antso araka izany no ataony « mba tsy tokony hiraisana tsikombakomba amin’ny dahalo amin’ny fampiantranoana sy fanomezana sakafo ary fanafenana azy ireo ». Nambaran’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ity vondron-tafika ity ihany koa, fa raha ara-dalàna tokoa sy misy taratasy mazava ireo omby rehetra ireo, dia tokony hanatona ny mpitandro filaminana ny tompony.
m.L