Mbola nisy olona maty ihany koa tao anaty fiandrasam -paty. Nisy nitondra basim-borona ary tsy nisalasala nampiasa an’izany. Notifiriny ny lehilahy iray tao amin’ilay toerana, nisahotaka ny mpiandry faty. Maty tsy tsa-drano ilay voan’ny bala ary nisy olona telo hafa koa naratra rehefa voan’ny piti-bala. Nitsoaka nony avy eo ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Ny alin’ny asabotsy lasa teo no nitrangan’ity vonoan’olona ity tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Analatelo-Morombe. Rava hatramin’ilay fiandrasam-paty satria samy nanavotra ny ainy ny olona noho ny hatairana. Noraisin’ny borigady ao an-toerana ny fikarohana ilay lehilahy nahavanon-doza ary nentina tany amin’ny hopitaly kosa ireo olona telo naratra. Raha heverina fa eto an-drenivohitra ihany no miparitaka ny fitaovam-piadiana, any amin’ny faritra koa, indrindra any amin’ny toerana be omby, dia tena tsy voafehy intsony izany. Toa saika manana avokoa ny vatan-dehilahy ao an-tanàna ary ankoatra ny fampiasana izany amin’ny halatra omby dia lasa fitaovana famonoana izay tsy tiana koa izany. Toa izay nitranga tao Andapa ny harivan’ny zoma lasa teo. Nisy olona niditra tao amin’ny tranon’ny rangahy iray ary nitifitra azy tamin’ny basy. Maty tsy tsa-drano ny tompon-trano izay nomarihin’ny zandary fa manana basy poleta ihany koa anefa. Noraisin’ny mpitandro ny filaminana ny basy izay tavela tao an-trano, tsy nisy taratasy rahateo, ary nosokafana ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza.
D.R
Morombe : Raikitra ny tifitra tao anaty fiandrasam-paty
Articles qui pourraient vous intéresser