- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Raim-pianakaviana iray maty nofirain’ny zokiny ny famaky

Morombe : Raim-pianakaviana iray maty nofirain’ny zokiny ny famaky

Noho ny resaka ady tany lova no niteraka lonilony nikotrika efa ho roa taona tamina mpirahalahy taorian’ny fahafatesan’ny rain’izy ireo, dia lehilahy iray sahabo ho 40 taona eo ho eo, no maty nofirain’ny rahalahiny ny famaky, ny alakamisy teo, tany Morombe. Raha ny vaovao voaray dia niraoka bozaka tamin’io tany iadiana io ny ombin’ny zokiny, ka tezitra sady nandroaka an’ireo biby niala teo ilay zandry olona niasa tany mangahazo tsy lavitra teo tsy faly. Raha vao nahita an’izany ilay tovolahy niandry ireo omby, dia lasa haingana nankeny an-tanàna niantso an-drainy sady nitantara ny zava-niseho. Niakatr’afo rangahy raha naheno izany, ary nankeny an-tsaha niaraka tamin’ny famaky namakiany kitay teny an-tanany. Raikitra avy eo ny fifamaliana teo amin’ireto mpirahalahy samy hafa reny. Tsy nahatsindry fo ilay rangahy tompon’omby, ka nikapa famaky an’ilay zandriny. Rehefa nihosin-drà nidaboka tamin’ny tany ity farany dia nitsoaka ilay nahavano-doza, ka mbola karohina. Noentina namonjy tobim-pitsaboana kosa ny naratra, saingy teny an-dàlana dia tapitra ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici