Sahy ny olon-dratsy amin’izao. Raim-pianakaviana iray no naratra mafy tapa-tanana nokapain’ny jiolahy ny famaky, ny alin’ny alahady teo, tany Morombe. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia lehilahy telo tsy nisaron-tava nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tokantrano iray tao Antanimeva. Raha vao tafiditra tao an-trano ireo malaso dia nangorona ny telefaonina avy hatrany no nataon’izy ireo, mba tsy hahafahan’ ireto fianakaviana voatafika miantso vonjy. Avy eo vao nitaky ny vola rehetra vidin’omby. Nilaza anefa ilay rangahy tompon-trano voatafika fa tsy misy vola afa-tsy dimy alina ariary tao, fa efa nandoavana trosa sy nampidirana mpianatra ny vola. Tezitra ireo jiolahy raha vao naheno izany, ka avy hatrany dia tsy nisalasala nampiasa ny fitaovam-piadiana nentiny ny iray tamin’ireo malaso, ka nofirainy tamin’ilay famaky teny aminy ity raim-pianakaviana tompon-trano ka naratra mafy. Tsy afa-po tamin’ireo vola tao an-trano azony ireo “kotro” fa mbola nangorona ihany koa ny rojo, kavina, ary peratra volamena tao amin’ity tokantrano ity, ary lasa nitsoaka niaraka tamin’ny entana vitsivitsy sarobidy tao an-trano zakan’izy ireo ireto jiolahy.
Eric Manitrisa