- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Rakotra andiam-balala ny ao amin’ny Kaominina Ambiky

Morombe : Rakotra andiam-balala ny ao amin’ny Kaominina Ambiky

Amin’izao ririnina mamirifiry izao, mirongatra ny adiam-balala any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambiky, ditrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana. Gaga ireo mpiantsena sy ny mponina tao Ambiky, afak’omaly tolakandro, nahita valala maro be nanidina sy nandrakotra ny arabe tamin’iny RN9 iny, ka izay toerana nandalovan’ireto andiam-balala ireto, dia rako-mainty maizina avokoa. Raha ny vaovao voaray, dia niazo avaratra kelin’ Andranoboka ny dian’ireo valala. Noho ireto valala mameno tampon-tanety sy voly izay tsy mbola nisy fanafody (poizina), dia misy amin’ny olona amin’ireo tanàna andalovan’ireto andiam-balala manidina ireto no manangona valala endasina atao laoka, ary ny sasany kosa mandraoka valala hanaovana « provende », raha ny fanazavana azo. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana manoloana an’izao andiam-balala izao, hoy ny mponina, dia ho ringana indray ny fambolen’ireo tantsaha.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici