- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Ramatoa nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy, maty nodarohan’ny mpitandro filaminana

Morombe : Ramatoa nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy, maty nodarohan’ny mpitandro filaminana

Ramatoa iray mpiandry tanàna ; izay voalaza fa nangalatra vola iray tapitrisa sy volamenan’ny mpampiasa azy very tsy hita tao an-trano no maty noho ny daroka nandritra ny fanadihadiana nataon’ny miaramila azy, tany Antanimeva distrikan’i Morombe, afak’omaly. Raha ny fantatra dia tsy tao an-trano ny tompon-trano ny faran’ny herinandro teo, ka voalaza fa ity ramatoa namoy ny ainy vokatry ny vono nihatra taminy ity notondroin’ny mpampiasa azy fa nangalatra an’ireo fananany, ka niantsoana mpitandro filaminana, ary niafara amin’izao fahafatesana izao. Tsy manaiky ny havan’ny maty ka nitory ary misokatra ny fanadihadiana amin’ity vono olona ity, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici