- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Rangahibe narary mafy tao an-tranony, maty nokendain-janany

Morombe : Rangahibe narary mafy tao an-tranony, maty nokendain-janany

Raim-pianakaviana iray 72 taona no namoy ny ainy voalaza fa maty nokendain’ny zanany faralahy tao an-tranony, afak’omaly, tany Morombe. Raha ny fantatra dia narary mafy nandamaka am-pandriana Ingahibe, ka mila fanaraha-maso matetika. Ity zanany nahavanon-doza no niandraikitra ny fikarakarana azy sy nampisotro fanafody an-drainy. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny anton’izao fandatsahana aina izao, fa raha ny tombatombana dia ankevitry ny leo tamin’ny fitsaboana an-drainy ity lehilahy nahavanon-doza, izay tsy nahazaka ny rainy marary mafy ao an-trano, na koa mety maika te-handova, ka sahy nandatsaka ny ain’ny nahitany masoandro tamin’ny fihetsika mamoafady amin’ny tranga mampalahelo toy izao.

Karohina ny nahavanon-doza. Nony hariva ny andro, gaga ny fianakaviana fa tsy tao an-trano ary tsy hita izay nalehan’ ilay lehilahy mpiandry marary. Nantsoina tamin’ny findainy, tsy azo antso. Nofohazina Ingahibe marary mba hisakafo nefa tsy nihetsika, ka taitra sy nikoropaka ny havan’ny maty nahita azy tsy nisy aina intsony. Tamin’ny fizahana ny razana no nahitana dian-dratra teo amin’ny tendan’ity lehilahy lehibe namoy ny ainy ity, ka teo no nahafantarana fa maty nokendaina izy. Karohina ilay nahavanon-doza nitsoaka, hoy ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici