- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Rivodoza Fundi - Tapaka ny RN9

Morombe : Rivodoza Fundi – Tapaka ny RN9

Nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Fundi ny distrikan’i Morombe any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Dibodrano tanteraka i Morombe ary tsy tafavarina any an-dranomasina ny rano. Miezaka mamonjy toerana avo toy ny sekolim-panjakana sy  ny fiangonana ireo traboina amin’izao. Betsaka ny trano rava, indrindra ireo vita amin’ny vondro. Andrin-jiro fito no nianjera  amin’ny tany miampy ireo hazo lava be any an-toerana. Amin’izao, manano sarotra ny fifandraisana sy ny fifamoivoizana. Tapaka ny lalam-pirenena fahasivy mampitohy an’i Toliara sy Morombe. Ahiana ny hiparitahan’ny valan’aretina noho diky miparitaka mitsikafona eny ambony rano, vokatry ny fangerena ankalamanjana sy ny fako miparitaka etsy sy eroa. Mila vonjy haingana sy manao antso avo ny vahoaka any an-toerana mba tsy atao ankilabao amin’izay isaky ny misy ny loza voajanahary mahazo io tanàna io.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser