- Publicité -
samedi, août 16, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorombe : Sokatra 190 isa saika haondrana tra-tehaky ny zandary

Morombe : Sokatra 190 isa saika haondrana tra-tehaky ny zandary

Tambajotran’ny mpanao varo-maizina sokatra no voasambotry ny zandary, tao amin’ny kaominina Jafaro, distrikan’Ambovombe, ny alarobia lasa teo. Tratra teny am-pelatanan’izy ireo ny sokatra miisa 190 efa vonon-kaondrana tamin’izany. Nisy vaovao tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Antanimora Atsimo fa hoe misy andian’olona manangona sokatra hamidy any Magnorify, kaominina Jafaro. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ireo Chef Cantonnement sy ny solontenan’ny fikambanana Ong iray miaro ny biby sy ala any amin’iny faritra iny. « Tra-tehaka tao an-toerana tokoa ny lehilahy miisa 16 miaraka amin’ny bisikiletany mitondra ireo sokatra anaty gony vao avy nangonina tany anaty ala voaaro ». Vao nahita ireo mpitandro filaminana izy ireo dia nitsoaka ka raikitra teo ny fifanenjehana. Ny enina tamin’izy ireo ihany no voasambotra raha tafaporitsaka ny fololahy. « Rehefa natao ny fizahàna dia nahatratra 190 ireo sokatra arovana (Astercolis radiat). Nosokafana avy hatrany ny famotorana iraisana hiarahan’ny Zandary sy ny OPJ avy ao amin’ny Direction Régionale Environnement Androy », hoy hatrany ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici