- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Tokantrano iray voaroba 1,2 tapitrisa ariary sy moto skotera

Morombe : Tokantrano iray voaroba 1,2 tapitrisa ariary sy moto skotera

Tokantrano iray any Morombe no nitondra faisana notafihan’ny jiolahy telo, nitam-basy ny roa, ny alin’ny talata teo, tamin’ny 10 ora alina. Vao tafiditra tao an-trano ireo jiolahy dia nandrangaranga basy. Tsy nisy sahy nihetsika ny tao an-trano nanoloana ny vavam-basy. Toto vodibasy no niatefa teny amin’ny lohan’ilay raim-pianakaviana tompon-trano ka nandratra azy. Tsy afa-namaly intsony, hany herin’ilay rangahy nanoro ny toerana nisy ny vola. Araka ny loharanom-baovao dia lelavola 1,2 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Nialoha ny nitsoahan’ireo mpandroba dia noterena hanome ny lakilen’ny moto koa ny tao an-trano. Nentin’ny roalahy nitsoaka sady notaingenany avy eo ny « scooter Jog ».

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici