- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Tovolahy tra-tehaka namaky trano, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Morombe : Tovolahy tra-tehaka namaky trano, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray tsy ampy taona sahabo ho 17 taona eo no tra-tehaka namaky trano, ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka, afak’omaly misandratra andro, tokony ho tamin’ny folo ora, tany Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe. Araka ny tati-baovao voaray, dia nivavaka tany am-piangonana ny tompon-trano ny alahady io, ka niliba tamin’ny asa ratsiny ity tovolahy nanantena tsy ho tratry ny aloka. Niverina tampoka tao an-tranony Ramatoa tompon-trano saika haka ny findainy hadino, ka gaga nahita ny varavarana nipitsoka. Raha vao tafiditra tao an-trano izy dia taitra mafy nahita an’ity tovolahy nibata gonim-bariny. Niantso vonjy teo amin’ny manodidina ilay renim-pianakaviana, ka vetivety dia vory ny olona, ary raikitra ny fanenjehana an’ity mpangalatra eran’ny tanàna. Tsy lasa lavitra anefa ity tovolahy voalaza fa ikoizana amin’ny hala-botry tsy mety fay ity fa voasambotra, ka niharan’ny daroka sy vono avy hatrany, ary tsy namelan’ny olona mihitsy raha tsy naratra mafy zara raha afa-nandeha. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia mbola nahavita nanao maloto tao amin’ity tokantrano norobainy ity ilay mpamaky trano nandritra ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny, ka izany fihetsika izay no naharomotra ny olona teo an-tanàna. Soa ihany fa nalaky voalamina haingana ny toe-draharaha, fa saika nanaraka hatramin’ny ain-dehiben’ity mpangalatra tra-tehaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici