- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Vehivavy iray, niharan’ny fanolanana tambabe sady voavono, namoy ny ainy

Morombe : Vehivavy iray, niharan’ny fanolanana tambabe sady voavono, namoy ny ainy

Mihavery ny soatoavina Malagasy ankehitriny, ka efa miharatsy saika isan’andro ny fiaraha-monina misy amin’izao, na ambanivohitra io na an-tanan-dehibe.Vehivavy iray manodidina ny 25 taona eo, mpivarotra trondro mandehandeha mitety tanàna no niharan’ny fanolanana tambabe sady norobain’ ny efadahy ny vola dimy alina Ariary tany aminy, ny alin’ny talata teo, tany Morombe. Raha ny fantatra dia handeha hamonjy fodiana ity tovovavy ity no tratry ny filan-dratsin’ireo tsy mataho-tody teny an-dalana, ary tsy vitany niharan’ny fanararaotana ara-nofo mamoafady izy, fa mbola nodarohan’ ireo jiolahy ka torana. Rehefa nahatsiaro tena ny niharam-boina, dia niezaka nandady nanavotra aina sady niantso vonjy. Noentin’ny olona haingana namonjy tobim-pitsaboana ity vehivavy nihosin-drà, kanefa noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tana intsony ny ainy omaly nisandratr’andro, hoy ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici