Nitrangana savorovoro niafara tamin’ny fandatsahana ain’olona indray tany amin’ny Distrikan’i Morombe, afak’omaly. Ramatoa iray manodidina ny 40 taona eo, voatondro fa mpamosavy sady mpangala-jaza no maty niharan’ny hatezeram-bahoaka tany Tanandava Kaominina Ambahikily. Araka ny tati-baovao voaray dia renin-jaza (mpampiteraka) sady mpanotra mitety tanàna ity vehivavy ity. Tovovavy iray sahabo 22 taona eo, izay bevohoka saro-piterahana no notsaboin’ity ramatoa ity, ny alakamisy teo. Rehefa avy nomeny tambavy izay voalaza fa nisy vorika (mosavy) ilay tovovavy dia namoy ny ainy, ary ny nanaitra ny maro nahita ny razana ny tsy naha tao am-bohoka intsony ny zaza. Rehefa nofotorana lalina ity vehivavy mpitsabo nentin-drazana ity, dia tsy nety nilaza na nanondro mihitsy ny toerana nasiany na nanafenany an’ilay zaza menavava, izay tsy fantatra na maty na velona ihany koa. Tezitra tanteraka taminy ny vahoaka ka nanapatra ny fitsarany, ary tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ain’ity ramatoa voatondro ho mpamosavy ity.
Eric Manitrisa