Saika zava-doza. Zazalahikely handeha hianatra vao maraina no saika narapak’ity voay rehefa nifanehitra tamin’ilay biby. Taitra ny mponina teo an-tanàna raha vao nandre ny antso vonjin’ilay zaza sy nahita ity voay be ity ka nivondrona nisambotra azy. Saika hisy hamono ilay voay efa voafatotra, nefa norarana Raiamandrenibe iray teo an-tanàna ka navarina naverina tany amin’ny reniranon’i Mangoky. Araka ny filazan’ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia tsy mivoaboaka fahatany ireny voay ireny na miakatra an-tanàna toy izao, fa ao ny antony, izay mbola tsy fantatra mazava aloha hatreto hoe inona? Misy ny miteny hoe : “fambara loza” satria nisy olona nanota fady.
Eric manitrisa