Ankizivavy kely 10 taona eo, no natelin’ny ranomasina rehefa nandeha nanihika makamba sy nanihika sy nihaja trondro ary naka drakaka niaraka tamin’ny namany, afak’omaly, tany Morombe. Handeha hilalao no nivoahan’ity zazavavy ity ny trano, ny alarobia tolakandro teo, rehefa tsy nianatra, ary tany izy dia tsy niverina intsony. Araka ny vaovao voaray, dia mbola manao ny fikarohana an’ity “ajampela” natelin’ny ranomasina ity ny Fokonolona sy ny fianakaviany, satria tsy mbola hita hatramin’izao ny nanjavonan’ ity zazavavy kely ity.
Eric Manitrisa