Noho ny filan-dratsy ara-nofo tsy voafehy ho fitadiavana fahafinaretana, dia tsy menatra ny tany ama-monina intsony ny lehilahy sasany ankehitriny, fa sahy manolana olom-pady na ny zanany vavy.
Raim-pianakaviana iray sahabo ho 35 taona eo, izay mipetraka ao Ambahikily, any amin’ny distrikan’i Morombe, no fantatra fa nanolana ny zana-badiny vavy 13 taona, ary nanao firaisana ara-nofo an-kerisetra inenina tamin’ity ankizivavy mbola mpianatry ny EPP ity. Bevohoka efa-bolana ity farany amin’izao, izay tokony hiatrika fanadinana Cepe androany. Araka ny fitantaran’ny renin’ilay zaza, dia isaky ny tsy ao an-trano izy, izay manao ny asany mitety tsena amin’ny varo-mandeha ataony, no nanaovam-badiny fomba mamoehatra an’ity menaky ny ainy. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia norahonan-drangahy mafy hovonoina sady notambazany vola telo alina ity tovovavy kely ity, mba tsy hitantara na amin’iza na amin’iza ny zava-mihatra aminy. Gaga ny reniny raha nahita an’ity zanany vavy nalemilemy nandamaka teo am-pandriana sady mandoa lava no misambabaka fandeha, nanomboka ny asabotsy teo, ka namotompototra mafy ny manjo azy ny reniny, afak’omaly antoandro. Nitomany rakalakely sady nitantara antsipiriany tamin-dreniny ny fametavetana nataon-draikeliny azy, ka vaky am-batolampy ny nanfenina nandritra ny fito volana, ary mbola nilaza sy nanamafy ity zaza ity fa ny zoma alina teo, dia mbola nanao filan-dratsy taminy ity rainy. Nentina nanatona dokotera ilay zaza, ary voaporofon’ny mpitsabo tamin’ny fitiliana natao fa mitondra vohoka izy sady simba tanteraka ny maha vehivavy azy. Tezitra mafy ity renim-pianakaviana ity rehefa nahafantatra ny marina rehetra, ka nitory am-badiny.
Eric Manitrisa