Trangam-piarahamonina mpitranga eny amoron-dranomasina hopitaly be iny ny famonoan-tena an-dranomasina; saingy tamin’ity indray mitoraka ity avotra soa aman-tsara ilay nikasa hamono tena raha nisy olona nahita ka nanavotra azy. Olona iray monina ao Anjoma Toamasina ity nikasa hamono tena ity noho ny tsy fahazakany ny adin-tsaina sy ireo mahazo azy, fa soa ihany fa nisy ity tovolahy iray ity nandalo nahita azy mikoropadropakana ao anaty rano ohatry ny olona tsy mahay milomano ireny, nefa ny toerana misy azy efa lalina be. Avy hatrany dia niroboka tao anaty rano ilay tovolahy rehefa avy nanala ny akanjony, ka niezaka nanavotra azy. Tsy nandà izany koa ilay navotana fa nanaiky ny fanavotana azy na efa nikasa hamono tena aza. Avotra soa aman-tsara ny tenany noho ity tovolahy tsara fanahy ity, ary mbola niantohan’ilay tovolahy koa ny saran’ny posy bisikileta nahafahany nody. Ireo namany niaraka taminy tamin’io maka sary amin’ny finday no nataon’izy ireo nandritra izany, fa tsy nisy na iray aza nanavotra azy. Hoy ny olona sasany nahita ilay tranga, “tena lalina ity fiainana ity fa efa tsy zakany olona sy efa tsy misy mahazaka mihitsy”, “nefa na izany aza tsy vahaolana ny famonaoan-tena” hoy izy ireo nilaza.
Malala Didier