- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoron-dranomasin’ny hopitaly be : Mpanjono roa lahy rendrika, iray maty…

Moron-dranomasin’ny hopitaly be : Mpanjono roa lahy rendrika, iray maty…

Nitrangana loza an-dranomasina teo akaikin’ny moron-dranomasin’ny hopitaly be Analakininina Toamasina. Mpanjono roa lahy namindra lakana no tra-doza teny ambony rano, rah any fanazavan’ny fianakaviany dia tsy andeha hanjono ireto roa lahy rendrika ireto ny tolakandro io, fa haka lakana avy teny amin’ny moron-dranomasina akaiky ny tobin’ny zandary; lakana no afindra teny akaiky ny tetezana hopitaly be. Raha ny nambara dia teny an-dalana dia nanana olana ilay lakana satria vaky be sy napidi-drano be ilay lakana. Samy niezaka nanavotra ny ainy izy roa lahy araka ny hitan’ireo mpitazana, nefa dia rendrika tanteraka ilay lakana noho ny avy eo. Tody soa amantsara teny an-tanety ny iray tamin’ireto mpanjono, saingy ny iray kosa naira-niletika tamin’ilay lakana nentiny. Nampandre teny amin’ny manodidina ilay avotra fa rendrika an-dranomasina ny namany, ka niroso tamin’ny fikarohana an’ilay namany natelin’n ranomasina ireo namany mpanarato manodidina rehetra teo. Raha nokarohana fatratra ilay rendrika dia hita ihany ny fatiny tokony tamin’ny 04ora mahary tolakandro. Hitan’ireo mpanarato nikaroka azy teo ambony rano izy saingy efa kely ny ainy, ka nentina nanantona ny hopitaly be ary nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo saingy tsy tan any ain’ilay mpanarato. Raha ny fanazavana dia tovolahy 17 taona ity natelin’ny ranomasina ity, ary mipetraka o ambadiky ny kianja mitafo ny Soavita Tanamakoa Toamasina.

Malala Didier  

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici